Alternanthera sessilis

Ny Alternanthera sessilis dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Amaranthaceae. Ambolena manerana izao tontolo izao izy io. Amin' ny teny ùalagasy izy dia atao hoe anamalaza, anambalaza, felikavola, fotsimbarinakoho, kimaroatody, maroatody, pokaty ary tsipoapoaka.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Zavamaniry maharitra ela ny Alternanthera sessilis, misy tahony mivelatra amin' ny tany, mahalana ny mijoroa, izay matetika mamaka eo amin' ny fotony.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]
Boribory lavalava na salavalava (indraindray lava miendrika lela lefona) ny ravin' ny Alternanthera sessilis, izay manana halava 1 hatramin' ny 15 sm sy sakany 0,3 hatramin' ny 3 sm, tsy misy volovolo na misy kely, manana tangozan-dravina 1 hatramin' ny 5 mm.
Vony
[hanova | hanova ny fango]
Mamorona vondrombony tsy misy tangozany ny vonin' ny Alternanthera sessilis. Fotsy mamirapiratra, manana halava 0,7 hatramin' ny 1,5 mm, ary tsy misy volovolo ny ny braktea sy ny brakteôla. Mitovy habe, manana halava 2,5 hatramin' ny 3 mm ny ravimbony, ary ny ivelany dia misy nifinifiny iray na telo eo akaikin' ny fotony. Miisa 5 ny lahimbony, ka ny 2 amin' izy ireo no tsy mamokatra. Raha maniry hoazy ny Alternanthera sessilis dia mamelana manomboka amin' ny Desambra ka hatramin' ny Marsa.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]
Maniry hoazy ny Alternanthera sessilis, saingy ambolena ihany koa hatao sakafo na fanafody na haingon-tanàna.
Anarana nahafantarana azy
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny sasany amin' ny anarana nahafantarana azy:
- Achyranthes sessilis (L.) Besser
- Allaganthera forsskaolei Mart.
- Alternanthera achyranthes Forssk.
- Bucholzia diffusa Mart.
- Gomphrena sessilis L.
- Illecebrum sessile (L.) L.
- Paronychia sessilis (L.) Desf.
- Steiremis sessilifolia Raf.
- Telanthera polygonoides (L.) Moq.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Alternanthera
- Achyranthes
- Allaganthera
- Bucholzia
- Gomphrena
- Illecebrum
- Paronychia
- Steiremis
- Telanthera
- Anamalaza: Alternanthera sessilis (L.) R. Br. ex DC. (Amaranthaceae); Nematostylis anthophylla (A.Rich. ex DC.) Baill (← Nematostylis loranthoides Hook. f.) (Rubiaceae).
- Fotsimbarinakoho: Alternanthera sessilis (L.) R. Br. Ex DC. (Amaranthaceae); Polygonum (Polygonaceae)
- Maroatody: Alternanthera sessilis (L.) R. Br. ex DC. (Amaranthaceae); Medinilla sarcorhiza (Baill.) Cogn. (Melastomataceae); Nematostylis anthophylla (A.Rich. ex DC.) Baill (← Alberta loranthoides (Hook. f.). Cavaco) (Rubiaceae).