Hankany amin'ny vontoatiny

Zavôkà

Avy amin'i Wikipedia
Image
Zavôkà

Ny zavôkà dia karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Lauraceae. Misy voany azo hanina ity zavamaniry ity. Any Meksika sy Amerika Afovoany no fiaviany. Volena indrindra mba hahazoana voany, izay ahitana lipida maro, ny zavôka. Persea americana ny anarany ara-tsiansa.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]

Hazo salantsalany manana haavo mahatratra 20 m ny hazo zavôkà. Na izany aza, amin' ny ankapobeny dia manodidina ny 10 m ny haavony. Mivelatra sy makitroka ny tampony. Rakotra hodiny mivolondavenona sy mitresatresaka ny vatany.

Image
Ravin' ny zavôkà

Ny ravin' ny zavôkà dia mifandimby, salavalava, feno sy misy sisiny malama ary manana tendrony mifilofilo. Manana halavany mirefy 20-30 sm sy sakany 10-15 sm ireo ravina ireo, sy fotony maranitra. Maitso antitra sy manjelatra ny tavany ambany, maitso mavana ny tsirakatsiraka, ary matroka ny tavany ambony. Somary volomparasy sy misy volovolo ny raviny mbola kely. Manana lalava 3-5 sm ny tangozan-dravina. Mihintsana isan-taona ny ravina rehefa avy namorona ny raviny vaovao ilay hazo; noho izany dia mijanona ho maitso lalandava ny ilay hazo.

Image
Vondrom-bonin' ny zavôkà
Image
Vonin' ny zavôkà

Sady lahy no vavy ny vonin' ny zavôkà ary mirefy 5 hatramin' ny 10 mm. Misy karazany roa ny vondromboniny: voafaritra sy tsy voafaritra. Amin' ny vondrombony voafaritra dia miafara amin' ny vony ny tendron' ny tsimoka mitondra vony. Miafara amin' ny zanaka zavamaniry ny vondrombony tsy voafaritra. Afaka mamokatra voniny maherin' ny iray tapitrisa ny hazo zavôkà, nefa voniny iray ao anatin' ny 1 000 ihany no lasa voa.

Image
Voan' ny zavôka

Miendrika poara na atody na boribory, manana halava 7 hatramin' ny 20 sm, sy milanja 100 hatramin' ny 1 000 g ny voan' ny zavôkà. Misy vihim-boa lehibe tokana miendrika atody sy manana halava 3 hatramn' ny 5 sm ny voan' ny zavôkà.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]