Hankany amin'ny vontoatiny

Fo

Avy amin'i Wikipedia
Image
Firan' ny fo

Ny fo dia taova misy hozatra miantoka ny fikorianan' ny ra ao amin' ny karazam-biby maro, anisan' izany ny Arthropoda sy ny Mollusca ary ny Vertebrata. Ny fo sy ny lalan-dra no miara-mamorona ny fitaovam-pikorianan' ny ra. Mitondra ôksizenina sy otrikaina ho any amin' ny tambatsela ny ra voatosika sy voatrola, sady mitondra loto toy ny etona karbônika mankany amin' ny havokavoka. Ao amin' ny olombelona, ​​ny fo dia mitovy habe amin' ny hondry ary eo anelanelan' ny havokavoka roa, tandrify ny afovoan' ny tratra, no misy azy.

Image
Fo

Ny fo dia mitana toerana manan-danja amin'ny fahasalaman'ny olombelona. Raha vantany vao misy olana amin'ny fo, toy ny fo mitempo mafy, na fo mivalona, mety hiteraka olana lehibe amin'ny fikorianan' ny ra izany. Ny fo matetika dia miasa amin'ny taham-pitempoana manodidina ny 60-100 fitepo isaky ny minitra. Raha mitempo latsaky ny 60 isaky ny minitra ny fo dia miadana loatra raha mihotra ny 100 kosa dia haingana loatra[1]. Koa tsara ny manantona dokotera raha miseho izany. Ny fitandremana ny fo sy ny fahasalaman'ny rafi-pitatitra ara-batana dia miankina amin'ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, fanatanjahan-tena tsy tapaka, sy ny fialàna amin'ny rari-tsaina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://www.elsan.care/fr/pathologie-et-traitement/maladies-cardiovasculaires/bradycardie-definition-causes-traitement