Natanaela
Fiseho

I Natanaela, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Natanaela avy any Kanà, dia Galiliana nantsoin' i Jesoa ho lasa mpianany, ary ao amin' ny Evanjelin' i Joany (Joany toko 1 sy 21) ihany no iresahana azy. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ναθαναήλ / Nathanaēl, fa amin' ny teny hebreo kosa dia נְתַנְאֵל / Natan'el, izay midika hoe "fanomezan' Andriamanitra" na "nanome Andriamanitra". Matetika izy dia heverina ho tsy iza fa i Bartôlômeo (na Bartelemy).