Hankany amin'ny vontoatiny

Ranavalona III

Avy amin'i Wikipedia
Ranavalona III
Image
Ankapobeny
AnaranaRanavalona III
Teraka22 novambra 1861
Toeranafanjakan'Imerina
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Mpanjaka vavy
Fiainana manokana

Ranavalona III teraka Razafindrahety tao Manjakazafy tamin'ny 22 Novambra 1861, ary maty an-tsesitany tamin'ny 23 Mey 1917, no mpanjakavavy farany tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara, mbola nametraka an' Antananarivo ho renivohiny.

Tanaty savorovoro tanteraka ny firenena raha mbola tsy nandray ny fanjakana akory Ranavalona III; nobodoin'i Frantsa tamin'ny alalan' i Amiraly Pierre ny tanànan'i Mahajanga sy Toamasina. Nalain'ny Amiraly Galiber kosa ny seranana hafa toa an'i Morondava sy Vohemar ary Tolagnaro raha niandoha teo amin'ny fanjakana izy. Hita amin'izany fa mpanjaka anisan'ny nandia fotoan-tsarotra nandritra ny fanjakany Ranavalona III.

Raha tanaty fahasarotana no nanombohan-dRanavalona III ny fanjakany dia mbola tanaty ady ihany koa no nanonganan'ny Jeneraly Gallieni azy ny 28 Febroary 1897 tsy ho mpanjakan'i Madagasikara intsony sy nanafoanana ny Fanjakan'i Madagasikara ary nandefasana azy sesitany avy hatrany tao La Réunion aloha vao nafindra ho any Alger. Niamboho an-tsesitany Ranavalona III rehefa roapolo taona no tsy naha-mpanjaka azy intsony. Nalevina tany Alger aloha fa 21 taona taty aoriana vao nampodiana taty an-tanindrazana ka napetraka tao amin'ny trano manaran'ny mpanjakavavy tao Manjakamiadana Antananarivo, ary nafindra ho any Ambohimanga tamin'ny taona 2007.

Tetiarana sy fahazazana

[hanova | hanova ny fango]
Image
Ny mpanjakavavy Ranavalona III, Antananarivo, Madagascar, manodidina ny taona 1890

Andriantsimianatra sy ny printsesy Razafinimanjaka Raketaka vadiny sady anabaviny tsy iray tampo aminy (zanaky ny iray tampo amin'ny iray amin'ny ray aman-dreniny) no ray sy renin-dRazafindrahety, teraka tamin'ny 22 Novambra 1861 tao Amparibe, tanàna ambanivohitra ao amin'ny faritra Manjakazafy lavidavitra an' Antananarivo.[1] Ny maha zafiafin' Andrianampoinimerina, ny maha zafikelin-dRadama Rainy mivantana azy (avy amin-dRasalimo printsesy Sakalava) sy ny maha-zafikelin-dRanavalona Reniny azy tsy mivantana, ary ny maha nenitoany ny Mpanjakavavy Ranavalona II no nahafahany nandova ny seza fiandrianan'ny Fanjakan'i Madagasikara.

Vao nifarana ny fanjakan-dRanavalona Reniny raha teraka Razafindrahety. Niakatra teo amin'ny fanjakana Rakoto zanaky ny mpanjakavavy ka nisalotra ny anarana Radama II. Roa taona nitondrana Radama II dia naongan' Andafiavaratra sy ny mpomba azy. Rabodozanakandriana, zanak'olona mpiray tampo amin'ny mpanjaka sady vadin'ny mpanjaka ihany, no niakatra teo amin'ny seza fiandrianana ary nisalotra ny anarana hoe Rasoherina. Nenitoan-dRazafindrahety ny mpanjakavavy vaovao ary nandritra ny fanjakany no niamboho ny reny (1866) niteraka an-dRazafindrahety. Mbola vao handray ny fahadimy taonany izy tamin'izany fotoana izany. Ny ankizin'ny[2] fianakaviana ihany no nanankinan-drainy ny fitaizana azy. Niamboho indray ny mpanjakavavy ka Ramoma rahavaviny tsy iray tampo aminy indray no napetraka teo amin'ny fiketrahana ary nomena ny anarana Ranavalona II.

Nentina Razafindrahety ho eo ambany fiahian'ny nenitoany, ny Mpanjakavavy Ranavalona II, izay niantoka azy hahazo fampianarana manokana avy amin'ny mpampianatra ao amin'ny London Missionary Society (LMS). Nianatra tany amin'ny sekolin-jazavavy tahaka ny Malagasy sasany izy taty aoriana. Voalaza fa zaza mazoto sy tia karokaroka Razafindrahety, tia mamaky Baiboly, mianatra sy mamaky teny, ary nahay nifandray tsara tamin'ny mpampianatra azy. Nianatra tao Ambatonakanga izy tamin'ny fahatanorany, tao amin'ny Lisean-jazavavy frenjy, ary tao amin'ny Foiben-tSekolin-jazavavy LMS. Natao batisa prôtestanta tao Ambohimanga izy tamin'ny 5 Avrily 1874. Nilaza azy ho anisan'ny mpianatra tena matanja-tsaina ny mpampianatra azy.

Tokony ho tamin' ny taona 1879 teo ho eo Razafindrahety no efa nanambady Andriana, zanak' anadahin' ny mpanjakavavy Ranavalona II, antsoina hoe Ratrimo (Ratrimoarivony). Niamboho anefa io vadiny io tamin'ny 8 Mey 1883 ka lasa mpitondratena aloha loatra Razafindrahety. Tsy tena mazava ny antom-pahafatesan'io vadiny io ka mahatonga ny sahoan-dresaka sy ny ahiahy hanondro fa misy idiran'ny praiminisitra Rainilaiarivony izao toe-javatra izao, indrindra noho ny antony ara-pôlitika. Mila zanak'Andriana vehivavy ho vadiny ny praiminisitra handimby ny mpanjakavavy miamboho.

Tao amin'ny gazety alemana Die Presse nivoaka tamin'ny 15 Septambra 1883 dia ahitana izao soratra izao: "Raha mbola nandry teo am-pandriana ho faty ny mpanjakavavy, indray maraina niposaka iny ny masoandro, dia nisy tanoravavy iray tokony ho 20 taona nofohazina ka notendrena ho mpanjakavavy. Rehefa tonga tao amin'ny lapa izy dia nanatona ilay vehivavy efa ho faty, izay nametra-tanana taminy, nanendry azy ho mpandimby azy, ary nampirisika azy hatoky mandrakariva an'Andriamanitra." [3]

Fiakarana eo amin' ny fiketrahana

[hanova | hanova ny fango]
Image
Ny Mpanjakavavy Ranavalona III, Antananarivo, Madagascar, ca. 1890-1895 (notapahina)

Ny raki-tsoratry ny governemanta frantsay no nahitana fa raha narary mafy ny mpanjakavavy Ranavalona II, dia efa niezaka mafy hitady mpandova hanjaka sahady ny praiminisitra Rainilaiarivony. Nomeny poizina Ratrimo vadin-dRazafindrahety mba hahafahany mametraka ity farany ho eo amin'ny fiketrahana sady hanambady azy, araka ny fifanarahana ara-pôlitika (1863) hanambadian' ny mpanjakavavy andriana ny praiminisitra hova, ka ny hova no tena mitondra fa ny andriana kosa no lohan'ny arofenitra amin'ny fanajana sy loham-panjakana eo imason'ny vahoaka.

Niamboho tamin'ny 13 Jolay 1883 Ranavalona II. Nangatahan'ny praiminisitra Rainilaiarivony hifindra ao Tsarahafatra, ao anatirovan' Antananarivo Razafindrahety izay ho lasa Mpanjakavavin'ny Fanjakan'i Madagasikara. Raha ny fanao teo aloha manoloana ny fahalasanan'ny mpanjaka toa izao tao Antananarivo dia tokony hibory bolo avokoa ny rehetra, tsy natao anefa izany tamin'ity fotoana ity. Ny hany natao dia nasarakorako avokoa ny volon' ny vehivavy, mariky ny fisaonana ihany koa moa izany. Manaraka izany, tokony ho ny 2 Aogositra 1883 no anatanterahina ny fandroana na taombaovao eo amin'ny Malagasy ao anatin'ny Fanjakan'i Madagasikara, nofoanana izany fotoana izany satria mbola tsy tafapetraka amin'ny toerany ny mpanjaka vaovao, izany hoe mbola tsy nandray amin'ny fomba ôfisialy ny fisalorana azy ho mpanjaka Razafindrahety.[4] Ho solon'izany toe-javatra izany dia natao izay hampakotrokotroka ny fety amin'ny amin'ny 22 Novambra 1883, izay mifanandrify amin'ny tsingerin-taona faha-22 nahaterahan-dRazafindrahety sady fanatontosana ny lanonana fametrahana azy amin' ny fomba ôfisialy ho mpanjaka rahateo. Ny anaram-boninahiny manontolo dia ny hoe "Her Majesty Ranavalona III, noho ny fiarovan'Andriamanitra sy ny sitrapon'ny vahoaka, Mpanjakavavin'i Madagasikara ary mpiaro ny lalàn'ny firenena".

Nanavao ny fomban-danonana Ranavalona III tamin'ity fotoana nanandratana azy ho mpanjakavavy ity. Ankoatra ny matso sy ny atrika miaramila mahazatra dia nanampy mpianatra lahy miisa 500 sy mpianatra vavy miisa 400 avy amin'ny sekoly malaza ho tsara indrindra handray anjara amin'io fotoana manokana io ny mpanjakavavy. Nanao akanjo fotsy ny zazavavy, raha nanao fanamiana miaramila kosa ny zazalahy sady nanao haiady tamin'ny fampiasana lefona teny an-kianja. Akanjo landy fotsy misy peta-kofehy mena sy haingo volamena no nanaovan' ny mpanjakavavy tamin' io lanonana io. Toy izao no nilazan'ny fampitam-baovao amerikana tamin'izany fotoana izany ny mpanjakavavy: "Somary lava kokoa noho ny ankapoben' ny mpanatrika izy, manana endrika mahazatra ary manga kokoa ny hodiny noho ny ankamaroan'ny olona manodidina azy; toa somary saro-kenatra izy, nefa nahatarika tsara ny lanonam-pitsarana manetriketrika."

Tahaka ny mpanjakavavy roa teo alohany ihany, dia nanambady an-dRanavalona III noho ny antony ara-pôlitika ny praiminisitra Rainilaiarivony; afa-manohy ny asa fampihodinan-draharaha eo anivon'ny firenena Rainilaiarivony amin'ny alalan'ny fanambadiany ny fianakavian'ny mpanjaka.

Raha oharina amin'ilay praiminisitra efa nahazo taona sy za-draharaha, dia niseho matetika kokoa ho mariky ny firenena teo imason'ny vahoaka i Ranavalona III, toy ny fanaovana kabary ampahibemaso amin'ny anaran'ny praiminisitra na ny fisoloan-tenan' ny fianakavian'ny mpanjaka rehefa lanonam-pitokanana fotodrafitrasa vaovao ho an'ny daholobe, toy ny Hôpitalin'Isoavinandriana[5], izay lasa hopitaly miaramila amin'izao fotoana, na ny sekolin-jazavavy eo Ambodin'Andohalo.

Nandritra ny fotoana nanjakan-dRanavalona III, dia Ramasindrazana, nenitoany, no mpanolo-tsaina akaiky azy sady nanana neken-teny tao an-dapa. Namana akaiky azy ihany koa Rasendranoro, zokivavin-dRanavalona III iray tampo aminy, ary niara-nipetraka tamin'ny reniny tao an-drova, niara-nipetraka aminy toy izany ihany koa ny printsy Rakotomena sy ny printsesy Razafinandriamanitra.

Matetika Ranavalona amin'ny fotoa-malalaka, no miara-miala voly amin'ny havany sy ny mpanompovaviny an-dapa. Mpanao gazety iray avy any Etazonia no nitatitra fa tamin'ny fandalovany tao an-dapa dia manao ireo lalao malaza tany Angletera sy Etazonia tamin'izany fotoana (amin' ny teny anglisy: "Parlour game") ny mpanjakavavy sy ny vehivavy ao an-dapa mpanala fahanginana azy, lalao fanaon'ny saranga antonony sy manan-katao any amin'ireo firenena voatonona ireo.[6] Milalao papangohazo ihany koa ry zareo raha eo an-tokotany. Fanalana andron'ny mpanjakavavy ihany koa ny manjaitra sy ny manenona ary ny manao tenona bà (crochet) ary matetika izy no nitondra ity fanalana androny ity any amin'ny filankevitry ny governemanta.[7]

Tia nividy lamaody avo karazana koa izy. Nialany ny fanaon'ny mpanjaka teo aloha izay nividy akanjo avy any Angletera fa ny lamaody avy any Paris, Frantsa no nironany. Tamin'ny taona 1886 izy dia nanasa an'i Marius Cazeneuve, frantsay mpanao majika, hanao fampisehoana eto Madagasikara, ary tena nankasitrahan-dRanavalona III ny zavatra nataony. Niasa tao amin'ny sampam-pitsikilovana frantsay anefa i Cazeneuve, tsy vitan'ny hoe nanampy ny governemanta frantsay tamin'ny fanangonam-baovao teto Madagasikara io rangahy io fa niasa ihany koa mba hampitombo ny fitaoman'ny Frantsay ao an-dapan' Antananarivo, fampiomanana amin' ny fandresen'ny Frantsay an'i Madagasikara.

Ny fitondrany

[hanova | hanova ny fango]

Vao 21 taona monja Ranavalona III tamin' ny 30 Jolay 1883 raha nandray ny fanjakana, araka ny safidin'ny Praiminisitra Rainilaiarivony, ka nandimby ny nenitoany, ny mpanjakavavy Ranavalona II. Na dia Ranavalona III aza no mpanjaka dia eo ampelatanan'ny Praiminisitra kosa ny fahefana, ny praiminisitra rahateo koa no mitana ny andraikitra ambony indrindra amin'ny fibaikoana miaramila. Nanembatsembana ary nampihena ny herin'ny Fanjakan' i Madagasikara ny fahazoan'i Frantsa ny andraikitra hisahana ny raharaha ivelan'i Madagasikara, izany hoe i Frantsa no misolo tena an'i Madagasikara amin'ny raharaha iraisam-pirenena. Fifanarahana tamin'ny 17 desambra 1885[8], taorian'ny ady 1883-1885 nifanaovan'i Madagasikara tamin'i Frantsa, no nahatonga izany toe-javatra izany ary avy amin'io ihany koa no mahatonga an'i Madagasikara handoa onitra mavesatra dia mavesatra amin'ny Frantsay. Toa izao manaraka izao ny hevi-dehibe tao anatin' izany fifanarahana izany [4]:

  • Ny Fanjakana frantsay no mitandrina ny raharaha rehetra mikasika ny firenen-kafa ary miaro ny Malagasy rehetra monina any amin' ny firenen-kafa.
  • Résident général no hapetrak'i Frantsa eto Madagasikara hikaraka ny raharaha rehetra mikasika ny firenena any ivelany, ka tsy hikasina, na dia kely aza, ny fahefan' ny Mpanjaka eto amin'ny Fanjakany.
  • Hanana miaramila frantsay mpiambina azy ny Résident, ka hitoetra eto Antananarivo, sy mahazo mihaona mangina amin' ny Mpanjaka.
  • Ny Frantsay dia mahazo monina sy mivezivezy ary mivarotra eran' ny tany izay an'ny Mpanjakan' i Madagasikara.
  • Ny antoko voalaza tao amin'ny fanekena tamin' ny 8 Aogositra 1868, ny fahazoan' ny oçlona rehetra manaraka izay fivavahana tiany harahina, dia ho tanterahin' ny Mpanjakan' i Madagasikara.
  • Ny fanjakana malagasy dia manaiky handoa onitra roa tapitrisa farantsa ho enti-manatanteraka ny ny fifanarahana, sy ho enti-manonitra ny fananan' ny vahiny simba tamin' ny ady. Ka ny fanjakana frantsay ihany no hikarakara ny fitsinjarana azy.
  • Mandra-pahatapitry ny fandoavana io vola io dia mbola tsy hiala ao Toamasina ny tafika frantsay.
  • Ny fanjakana frantsay dia manaiky hanampy ny Mpanjakan'i Madagasikara.
  • Ny Mpanjakan' i Madagasikara ihany no mikarakara ny fampandrian-tany amin' ny tany rehetra eran'i Madagasikara.
  • Ny fanjakana malagasy dia hitondra tsara ny mponina Sakalava sy Antakarana, ary hanome ny helo-dranomasina (Antsiranana) ho an' ny fanjakana frantsay mba hamboariny sy hokarakarainy araka izay fantany ho mahatsara azy.

Kenda ara-toekarena i Madagasikara noho ny fanakanan'i Frantsa azy tsy hindram-bola amin'ny banky anglisy fa tsy maintsy amin'ny banky frantsay ihany no manao izany. Mbola niezaka nampifandanja ny herim-panintonana britanika amin'ny herim-panintonana frantsay ny praiminisitra eo amin'ny pôlitika sy ny toekarena eto an-toerana nefa efa niova ny toe-draharaha iraisam-pirenena taorian'ny Kônferansa tany Berlin (15 Novambra 1884- 26 Febroary 1885) nifamorian'ireo samy mpanjanatany. Efa nifanaraka ny Britanika sy ny Frantsay tamin'ny 5 Aogositra 1890 fa ankatoavin'i Frantsa ny hifehezan'i Britania Lehibe an'i Zanzibar ary ankatoavin'ny Fanjakana Mitambatra kosa ny fahefan'i Frantsa amin'i Madagasikara. Tsy mifandrafy ampahibemaso intsony izany i Frantsa sy ny Fanjakana Mitambatra manoloana ny raharaha Madagasikara. Nisy ihany ny manamboninahitra ambony anglisy vonona hiaro ny mpanjakavavy, saingy tsy navelan' ny Praiminisitra hihetsika intsony ireo.

Antony iray amin' izay naharesy an' i Madagasikara manoloana an' i Frantsa ny nanakisahana ireo miaramila manamboninahitra ambony vahiny mpampiofana ny tafika malagasy ireo tsy hahazo hiditra amin' ny fibaikoana, nefa maro amin'ny manamboninahitra malagasy no efa manao sarin' ady fotsiny sisa nefa maniry ny hialan' ny Praiminisitra haingana ao am-pony ao.

Ny governemanta Ranavalona III

[hanova | hanova ny fango]

Toy izao ny firafitry ny Governemanta Ranavalona III araka ny hita amin'ny alimanaka 1892)[9]

  1. Praiminisitra sady Commander-in-Chief: Rainilaiarivony
  2. Lehiben'ny mpanao raharaha amin' ny atitany: Rainitsimbazafy, 15 voninahitra (kabinetra: Rainisoa, 15 voninahitra sy Printsy Ratsimamanga, 15 voninahitra)
  3. Lehiben'ny Andriambaventy: Printsy Razafimanantsoa Ratsimisampy, Andriambaventy (kabinetra: Rainimanantoanina, Andriambaventy)
  4. Lehiben'ny mpanao raharaha amin' ny miaramila: Printsy Ramahatra, 15 voninahitra
  5. Lehiben'ny mpanao raharaha momba ny lalàna: Razanakombana, 15 voninahitra (kabinetra: Ratsimanohatra, 15 voninahitra sy Rainiasitera, 15 voninahitra)
  6. Lehiben' ny mpanao raharaha momba ny vahiny: Andriamifidy, 10 voninahitra (kabinetra: Ramaka, 14 voninahitra sy Rainibemanantsoa, 14 voninahitra sy Rajoelina, 13 voninahitra sy Rainitsimba, 11 voninahitra sy Rainimalanjaona, 10 voninahitra sy Ratsarahoela sy Ravelojaona ary Rajaonah)
  7. Mpanao raharaha momba ny fanaovan-taozavatra: Rahagamainty, 10 voninahitra
  8. Mpanao raharaha momba ny volam-panjakana: Rainandrianary, Andriambaventy
  9. Mpanao raharaha momba ny fampianarana: Rakoto sy Radoara

Fifanolanana teo amin' i Frantsa sy ny Fanjakan' i Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Tsy fitovian-kavitra

[hanova | hanova ny fango]

Mbola tsy nanjaka akory Ranavalona III dia efa nanafika an'i Madagasikara i Frantsa. Ady tamin'ny Frantsay noho izany no nibahan-toerana tao anatin'ny taona roa voalohany nanjakany. Nanomboka nifampiraharaha momba ny fampitsaharana ady tamin'i Frantsa ny governemantan'i Madagasikara tamin'ny taona 1885. Notontosaina tao Manjakandrianombana, na fantatra anarana kokoa amin'ny hoe Farafaty, izany fifampiraharahana izany. Tamin'ny 17 Desambra 1885 no nosoniavina ny fifanaraham-pandriampahalemana teo amin'ny firenena roa tonta. Araka ny fifanarahana dia nanan-jo hisolo tena an'i Madagasikara amin'ny fifandraisana ara-diplômatika i Frantsa, ary ny lalàna frantsay no hitondrana ny Frantsay monina eto Madagasikara, hisy Résident frantsay hipetraka ao Antananarivo hiandraikitra ny raharaha ivelany fa tsy hikasika kosa ny raharaha anatiny eto Madagasikara. Natolotry ny governemantan'i Madagasikara ho an'i Frantsa hampiasainy ny tanànan' Antsiranana any avaratra ary afaka manorina izay zavatra ilainy ao ny fanjakana frantsay. Mandoa onitra 10 000 000 farantsa amin'i Frantsa i Madagasikara noho ny vola lany tamin'ny ady. Navesatra dia navesatra na tamin'ny fitondram-panjakana na tamin'ny vahoaka malagasy ity onitra tsy maintsy naloa ity ary niteraka fahatezerana anaty tamin'ny vondron'olona sasany mihitsy aza. Na izany aza dia nesorin'i Frantsa tao amin'ny fifanarahana ny voambolana hoe "protectorat" ary nekeny ny fiandrianam-pirenen' ny Fanjakan'i Madagasikara entin-dRanavalona III, ka mametraka azy ho tokana tompon'ny tany.

Tsy nitovy ny fihetsiky ny firenena tandrefana samihafa manoloana izany fifanarahana izany. Noho ny tahotra valifaty avy amin' ny Frantsay dia nanaiky ny fifehezan' ny Frantsay an'i Madagasikara ny fanjakana britanika ary tamin'ny alalan'ny governemanta frantsay no nifandraisany tamin'i Madagasikara. Nampiharihary kokoa ny hevitry ny Britanika ny fifanarahana nosoniavin'ny Fanjakana Mitambatra sy i Frantsa tamin'ny 5 Aogositra 1890. Na izany aza dia mbola nanohy nifandray mivantana tamin'ny governemantan' ny Fanjakan' i Madagasikara ihany i Etazonia sy ny Empira Alemana ary nanohy fankatoavana ny Fanjakan' i Madagasikara ho firenena eo ambany fitarihan-dRanavalona III.

Nandritra izany fotoana izany dia nanomboka nitady fanohanana avy amin'i Etazonia sy ny firenena hafa i Madagasikara mba hahazoany ny toerany. Tamin'ny taona 1886 dia nanolotra asa tanana ho an'ny Filohan'i Etazonia Grover Cleveland ny Mpanjakavavy: landy akotofahana, akanjo lamba volon'ondry, sokitra tandrok'omby ary harona voatenona mba hahazoana ny fanohanan'ny governemantan'i Etazonia amin'ny fitazonana ny fiandrianam-pirenen'i Madagasikara. Tsy vonona ary tsy afaka nanome fanohanana ara-tafika na diplômatika ho an'ny Fanjakan'i Madagasikara anefa ny governemantan'i Etazonia. Ny asa tanana natolotr'i Ranavalona III ny Filoha Cleveland dia nomen'i Cleveland manokana ho an'ny Tranombakoka Nasionaly momba ny Zavakanto Afrikana.

Tamin'ny 12 Desambra 1887 dia nosoniavin-dRanavalona III ny fifanarahana vaovao tamin'ny governemanta frantsay, nahazoan'ny Frantsay velaran-tany hambolena na hiompiana bebe kokoa. Teo anelanelan'ny taona 1890 ka hatramin'ny taona 1894 dia niezaka nandresy lahatra ny governemantan'i Madagasikara ny governemanta frantsay mba hanaiky ny zon'i Frantsa amin'ny nosy sy faritany azony tamin'ny alalan'ny fifanarahana tamin'ny taona 1885. Tsy nanaiky mihitsy ny fitakian'ny Frantsay anefa ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony, ary nilaza fa fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenen'i Madagasikara izany fitakiana izany. Farany dia nirahina i Charles Le Myre de Vilers handresy lahatra ny mpanjakavavy Ranavalona III sy ny praiminisitra Rainilaiarivony mba hanaiky ny fandikan'ny frantsay ny fifanarahana farany nifanaovana fa raha tsy manaiky ny Malagasy dia hanomboka ady ny Frantsay ary haka an-keriny ny Nosy. Natolotr'i Le Myre de Vilers an' i Rainilaiarivony ny drafitra vaovao haneken'ny Malagasy ny fiarovana frantsay (protectorat) ao anatin'ny roa andro tamin'ny 18 Oktobra 1894. Ny olana amin'ny fifandraisan' i Madagasikara sy i Frantsa no navalin'ny Praiminisitra izany fa tsy niresaka momba ny protectorat frantsay. Nanome volavola setriny ny Malagasy tamin'ny 24 Oktobra 1894. Tezitra tamin'izany valin-teny izany Le Myre de Vilers ka niala an' Antananarivo izy tamin' ny 27 Oktobra 1894 ary nentiny nanaraka azy avokoa ny teratany frantsay rehetra tao Antananarivo[10]. Nanao kabary lehibe niantsoana ny vahoaka ny praiminisitra Rainilaiarivony, mitondra ny tenin'ny mpanjaka Ranavalona III, fa tsy maintsy hatrehina indray ny ady hifanaovana amin'i Frantsa.

Ady sy faharesena

[hanova | hanova ny fango]
Image
Tafaorina teto Madagasikara La Frantsa

Efa nivezivezy manodidina ny morontsirak' i Madagasikara ny tafika an-dranomasina frantsay ka nitifitra indray ny tanàna amorontsiraka toa an'i Toamasina (11 desambra 1894), Antsiranana (19 desambra 1894), fa nidirana mihitsy indray i Mahajanga tamin'ny 14 Janoary 1895, ary tsy nisy fanoherana mihitsy aza tao. Na dia akaiky kokoa ho entina manafika an'Antananarivo aza i Toamasina dia tsy afa-nanao fanafihana avy any ny tafika frantsay satria tsy vakin'ny tafika frantsay hatramin'ny farany ny Mandan'i Manjakandrianombana (Farafaty) notarihan'i Rainandriamampandry. Baiko avy aty Antananarivo mihitsy vao nilavo lefona ny miaramila malagasy tao tamin'ny tapaky ny volana Oktobra 1895. Tao Mahajanga noho izany no niainga ny andia-tafika frantsay tamin'ny volana Avrily 1895 niandry orana hitsahatra sy fitoniana kokoa amin'ny tazo[10], rehefa azony io tanàna io tamin'ny 14 Janoary 1895 ary tonga ireo izay hamabo an'Antananarivo satria nalalaka kokoa ny dia hatrany ary nifankatazana kokoa ny mpifanandrina. Rehefa tsy nitsaha-nihemotra hatrany ny tafika malagasy dia azon'ny tafika frantsay notarihin' i jeneraly Duchesne ny tanànan' Antananarivo tamin'ny 30 Septambra 1895.

Fanapahan-kevitra niraisan' ny mpanjakavavy Ranavalona III sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony ary ny mpanolotsaina ny hanao taratasy fampitsaharana ny ady hatolotra ny mpitari-tafika frantsay. Ny ampitson'io ihany dia natolotry ny Frantsay ny taratasy hosoniavin'ny Mpanjaka fa manomboka izao dia protectorat frantsay i Madagasikara, tamin'ny telo ora folakandro ihany dia efa tafaverina tany amin'ny jeneraly Duchesne ny taratasy voasonian'ny Mpanjaka. Tamin'ny 18 Janoary 1896 anefa dia nosoniavin'ny Mpanjaka Ranavalona III ny taratasy fanekena fa i Frantsa manomboka izao no tompon'i Madagasikara iray manontolo. Na dia mbola mitana ny toerana maha mpanjakan' i Madagasikara aza Ranavalona III dia eo ambany fiahian'ny Rezidà Jeneraly.

Zanatany frantsay i Madagasikara tamin' ny 6 aogositra 1896 fa tamin'ny 28 Febroary 1897 kosa no nesorina tamin-dRanavalona III ny toerana maha mpanjaka azy ary foana hatreo ihany koa ny Fanjakan' i Madagasikara. Nalefa sesitany avy hatrany tany La Réunion izy tamin'io fotoana io ary nafindra ho any Alger izany sesitany izany tamin'ny 1 Febroary 1899.

Image
Ranavalona

Fandaozana an' i Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Rehefa tafiditra an' Antananarivo ny tafika frantsay, dia nanomboka ny fikomian' ny Menalamba, vondron' olona tsy nanaiky ny fitondran'ny mpanjanaka frantsay. Tsy ela dia niely nanerana ny Nosy io hetsika manohitra an'i Frantsa io, nenjehiny ihany koa ny kristianisma ka nandrava fiangonana sy namono misiônera tandrefana ry zareo.

Setrin'izany ny fandefasan'ny governemanta frantsay miaramila fanampiny mba hanafoanana amin-kabibiana ny fikomiana, izay nitsahatra tanteraka tamin'ny faran'ny taona 1897. Anisan'ny tetika hanimbàna ny sain' ny Menalamba mpikomy ny nitifirana an-dRatsimamanga sy Rainandriamampandry, ny famindrana ny taolan' Andrianampoinimerina sy Ranavalona I ary Ranavalona II tao Ambohimanga ho ao Antananarivo ary izao fandefasana an-tsesitany ny Mpanjakavavy Ranavalona III izao.

Vao voatendry ny jeneraly Gallieni ho Governora Jeneralin'i Madagasikara, hisolo an'i Hippolyte Laroche, Governora Jeneraly sivily. Talohan'ny nahatongavany dia nasaina ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy ny namany handeha ho ao Ambohitsorohitra. Kanjo rehefa tonga tao dia nohidin' ny Frantsay tsy hahazo hivoaka tao intsony. Tao no nanerena ny mpanjakavavy Ranavalona III hanao sonia antontan-taratasy mamindra ny fananan'ny mpanjaka rehetra ho an'i Frantsa.

Nodidian'ny manampahefana frantsay indray Ranavalona III handao ny lapa tamin'ny iray ora sy sasany maraina. Nentina filanjana avy ao Antananarivo izy raha mbola natory ny tanàna, miaraka amin'ny mpanotrona sy mpitondra entana miisa 700–800. Voalaza fa nisotro be Ranavalona III nandritra ny dia mizotra ho any Toamasina izay hiakarany an-tsambo ho any La Réunion. Nampandrenesina Ranavalona rehefa tao Toamasiana tamin'ny 6 Marsa 1897, fa ho avy tsy ho ela fa hampiarahina aminy Rasendranoro rahavaviny sy Razafinandriamanitra zana-drahavaviny efatra ambin'ny folo taona, fa bevohoka sivy volana noho ny fanolanan'ny miaramila frantsay azy. Rehefa niala tao Toamasina ny sambo nitondra an-dRanavalona dia mbola nivily tany Nosy Boraha aloha haka an-dRamasindrazana nenitoany izay efa nalefa sesitany volana vitsivitsy mialoha mba hampiarahina aminy ihany koa [11].

Tao amin'ny nosy La Réunion

[hanova | hanova ny fango]

Niara-nandeha sambo La Peyrouse ny fianakaviana ary nitody tao amin'ny seranan-tsambo Pointe des Galets, toerana roapolo kilômetatra miala ny renivohitra Saint Denis, mba hahazoana antoka fa hangingina ny fahatongavan-dry zareo. Na teo aza anefa izany ezaka izany, dia nisy Frantsay mpijery niantsoantso sy nandrabiraby rehefa nijanona ny sambo, tezitra tamin'ny mpanjakavavy izy ireo noho ny fahafatesan'ny Frantsay nandritra ny fananiham-bohitr'i Frantsa hibodo an'i Madagasikara. Nandrasana aloha ny fiparitahan'ny vahoaka vao nentin'ny kapiteny an-kalesy tarihin-tsoavaly Ranavalona III sy ny fianakaviany ho ao amin'ny Hotel de l'Europe ao Saint Denis. Nihetsi-jaza Razafinandriamanitra, niaritra tebiteby sy havizanana ara-batana nandritra ny dia, raha vao tonga kelikely tao amin'ny trano fandraisam-bahiny. Niteraka vavikely Razafinandriamanitra tamin'ny andro faharoa nahatongavany tao La Réunion, saingy tsy niverina ny ainy ka nodimandry izy dimy andro taty aoriana. Nantsoina hoe Marie-Louise ilay zaza ary natao batemy ho Katôlika mba tsy hifandirany amin'ny Frantsay. Natsangan-dRanavalona III ho zanany i Marie-Louise, ary afa-mandova ny fanjakana araka ny fitsipika nentim-paharazana momba ny fifandimbiasam-pahefana raha mbola nijoro ny Fanjakana.

Image
Tao La Réunion

Tao anatin'ny iray volana dia nafindra tany amin'ny tranon'i Madame de Villentroy ny sisa amin'ny fianakaviana, izay hita eo amin'ny zoron-dalana Rue de l'Arsenal sy Rue du Rempart akaikin'ny biraon'ny governemanta frantsay ao Saint-Denis. Voalaza fa afa-po amin'ilay trano misy rihana roa Ranavalona, fa manana zaridaina lehibe misy rindrina sy tafo avo tapenaka mbamin'ny lavarangana manodidina mampahatsiahy ny tranoben' afovoan-tanin'i Madagasikara ilay trano fandraisam-bahiny. Ankoatra ny mpanjakavavy sy ny nenitoany, ny rahavaviny ary ny zafikeliny vavy, dia manana sekretera roa, mpahandro iray, mpanampy an-trano iray ary mpikarakara telo Ranavalona, ​​ary manana mpikarakara maromaro hafa kosa ny nenitoany sy ny rahavaviny. Nahazo alalana hitsidika malalaka ny fianakavian'ny mpanjaka ny mpitandrina Andrianaivoravelona Josefa izay sesitany tao La Réunion ihany koa.

Naharitra roa taona latsaka kely ny nipetrahan-dRanavalona III sy ny sisa amin'ny fianakaviana niaraka taminy tao amin'ilay trano tao La Réunion. Nitombo indray ny disadisa teo amin'ny Fanjakana Mitambatra sy i Frantsa, noho ny fifandonana tany Sodàna, ka nanahy ny manampahefana frantsay sao mamelona hafanam-po hanoherana ny fitondrana frantsay amin' ny ampahany amin' ny mponina eto Madagasikara izany toe-javatra izany. Nanapa-kevitra ny manampahefana frantsay ny hamindra an-dRanavalona III sy ny sisa amin'ny fianakaviany ho any Alzeria izay toerana lavitra kokoa.

Nasaina niakatra ny Yang-Tse niaraka tamin'ny sekretera mpandika teny sy mpanampy an-trano maromaro tsy nisy fampiomanana loatra Ranavalona sy ny fianakaviany tamin'ny 1 Febroary 1899. Naharitra 28 andro ny dia nankany amin'ny seranan-tsambon'i Marseille any Frantsa. Toerana niatoana tamin'izany dia izany indray i Mayotte, i Zanzibar, i Aden ary i Djibouti. Nandritra izany dia izany no nandidian' ireo kapiteny, tompon'andraikitry ny dia tsy hiresahan-dRanavalona amin'izay tsy Frantsay. Nijanona nandritra ny volana maro tao Marseille ry Ranavalona talohan'ny namindrana azy ireo ho any amin'ny trano iray tao amin'ny faritr'i Mustapha any Alger. Nanantena ny hanohy ny diany ho any Paris i Ranavalona saingy diso fanantenana mafy rehefa nahafantatra fa any Alzeria no andefasana azy, ary voalaza fa nitomany mafy sady nitaraina hoe: "Iza no afaka maminavina ny ampitso? Omaly aho dia mpanjakavavy, ary ankehitriny dia vehivavy torotoro fo fotsiny."

Tao Alger

[hanova | hanova ny fango]
Image
Mpanjaka Ranavalona III sy ny natsangany Marie-Louise, ca. 1905

Rehefa tonga tao Alzeria ry Ranavalona III mianakavy, dia nomen'ny governemanta Frantsay mpikarakara ireto olona atao sesitany ireto. Nefa izany Frantsay mpikarakara izany ihany koa no tompon'andraikitra amin'ny fanaraha-maso izay fihetsik'i Ranavalona III sy ny ao an-tranony rehefa nandray vahiny. Nomen'ny governemanta frantsay fivelomana 25 000 farantsa isan-taona ry Ranavalona, izay alaina avy amin'ny tetibolan'i Madagasikara alefa amin'ny zanatany ary nahazoana alalana avy amin'ny Governora Jeneraly[12]. Efa nalain'ny manampahefana frantsay avokoa moa ny fananany rehetra ankoatra ny firavaka vitsivitsy, ka tsy ampy hiveloman-dry zareo izany 25 000 farantsa izany. Nanao ezaka mafy ny governemanta mpanjanaka ao Alzeria mba hampitomboana ny fivelomany, saingy nolavina izany. Nanendry mpanampy malagasy iray Ranavalona III hivarotra ny firavany hahazoam-bola, saingy tratran'ny manampahefana frantsay izany ka noroahiny hody taty Madagasikara avy hatrany io mpikarakara io.[13]

Tamn' ny taona voalohany nahatongavany tao Alzeria ihany dia efa hitany ny fomba fiaina sy fanaon'ireo vato nasondrotry ny tany. Matetika Ranavalona no voaasa, mivoaka hanatrika ny hetsika ara-kolontsaina isan-karazany, ary indraindray koa mampiantrano fanasana ao an-tranony.[14] Nanembona sy mahatsiarotsiaro ny tanindrazany hatrany Ranavalona ka efa nanao fangatahana ho amin'izany, saingy nolavina. Niteraka fahasorenana sy alahelo teo aminy izany tsy fahafahany mody na mitsidika an'i Madagasikara izany ka matetika izy no mandeha an-tongotra irery any ambanivohitra, eny amoron-dranomasina, na mamakivaky ny tanàna mba hanadiovany ny sainy sy hampitraka ny fanahiny[15].

Diany voalohany nankany Frantsa

[hanova | hanova ny fango]

Naniry hahita an'i Frantsa ihany koa Ranavalona, indrindra fa ny hitsidika an'i Paris renivohitra. Imbetsaka izy no nangataka alalana handeha saingy nolavina hatrany raha tsy efa tonga ny volana Mey 1901. Rehefa tonga tany Paris izy dia nipetraka tao amin'ny trano iray teo anelanelan'ny Champs-Élysées sy ny Place Charles de Gaulle (amin'izao fotoana izao mazava loatra) tao amin'ny boriborintany faha-16. Notsidihan-dRanavalona III ny toerana malaza sy be mpizaha tao Paris ary maro ny fanasana sy lanonana natrehiny. Noraisin'ny olo-manankaja frantsay tamim-panajana fatratra izy sady nanome azy fanomezana maro ireo, anisan'izany ny akanjo lafo vidy. Nitsidika an'i Versailles ihany koa Ranavalona, ary avy eo izy noraisina tamin'ny fomba ôfisialy tao amin'ny Lapan'ny Tanànan'i Paris, ary nandany telo herinandro tao Bordeaux, ary avy eo izy nitsidika ny tora-pasik'i Arcachon mandra-pahalany ny vola nentiny ka hodiany any Alger, nizorany nankany Marseille handraisany ny sambo tamin'ny fiandohan'ny volana Aogositra. Nahasarika ny fampitam-baovao tao Paris ny fandaharam-potoan-dRanavalona[16]. Naneho ny fangorahany ny amin'ny fahakelezan'ny fivelomana nomen'ny governemanta frantsay azy ireo fampitam-baovao ireo, ary nitaky ny hanomezana azy izay sahaza ny olona misalotra ny Legion d'honneur.[17]

Diany hafa nankany Frantsa

[hanova | hanova ny fango]

Mbola afaka nitsidika an'i Frantsa inenina Ranavalona nandritra ny roa ambin'ny folo taona sisa niainany. Ireo fitsidihana ireo sy ny laza tsara nananany no nahatonga ny olom-pirenena frantsay nangoraka azy sy nankasitraka azy tamin'ny fanekeny ny fiainany vaovao ho "tamàna" ao Alzeria. Matetika koa ny fampitam-baovao tamin'izany fotoana izany no nitatitra ny dian-dRanavalona, ary ny fitomboan-daza nananany aza no nahatonga ny sariny natao pirinty tamin'ny boaty fonona biskitra Petit Beurre tamin'ny taona 1916.

Tamin'ny Septambra 1903 no nizahan-dRanavalona III fanindroany an'i Frantsa, nitsidika an'i Vic-sur-Cère sy i Aurillac izy tamin'izany. Noho ny faneren'ny vahoaka tao an-toerana no nampitomboan'ny governemanta frantsay ho 37 000 farantsa ny vola fanome azy isan-taona.

Image
Fonona biskitra Petit beurre ahitana ny sarin' i Ranavalona III

Roa taona taty aoriana indray Ranavalona III dia nitsidika an'i Marseille sy Saint-Germain ary nipetraka tamin'ny trano lehibe misy efitra fatoriana dimy tao amin'ny boriborintany faha-16 ao Paris. Nandritra izany fotoana izany no namangiany ny Opéra de Paris, sy nanatrehany indray mandeha ny fivorian'ny solombavambahoaka frantsay ary nandraisan'ny minisitry ny Zanatany azy tamin'ny fomba ôfisialy. Tamin'izany fotoana izany, noho ny faneren'ny vahoaka, dia nampitomboin'ny governemanta frantsay ho 50 000 farantsa isan-taona indray ny fivelomany.

Tamin'ny taona 1907 indray Ranavalona dia nanao an'i Dives-sur-Mer ho fonenana vonjimaika itsidihany ny departemantan'i Calvados, izay nakan'ny mpanao gazety frantsay azy sary. Nandritra ny fitsidihany an'i Frantsa tamin'ny Aogositra sy Septambra 1910 no nitetezany an'i Paris, i Nantes, La Baule ary i Saint-Nazaire ka matetika Ranavalona III no lasibatry ny paparazzi.

Tamin'ny taona 1912 nandehanany tany Quiberville no nampitomboan'ny Frantsay ho 75 000 farantsa isan-taona ny vola fanome azy. Ary ny dia nankany Frantsa farany nataon-dRanavalona III tamin'ny taona 1913 no nitetezany an'i Marseille, i Aix-les-Bains, ary i Allevard.

Ny nipoahan'ny Ady Lehibe Voalohany tamin'ny taona 1914 no tsy nahafahany nankany Frantsa intsony. Nandritra io fotoana io Ranavalona sy ny fianakaviany no tsy tapaka nanatrika fotoam-pivavahana prôtestanta nataon'ny Fiangonana Refôrme[18] tao afovoan'i Alger. Nandray anjara mavitrika tamin'ny hetsika fanampiana nataon'ny Vokovoko Mena Alzeriana ihany koa Ranavalona.[19]

Fahafatesany

[hanova | hanova ny fango]


Niamboho tsy tafody velona teto Madagasikara Ranavalona III, indroa izy, tamin'ny taona 1910 sy 1912, no nangataka hody fa tsy neken'ny governemanta mpanjanaka. Nolazaina fa noho ny tsy fahampian'ny vola no anton'izany. Maty tampoka tao an-trano fonenany tao Alger noho ny fahatsentsenan'ny lalandra izy tamin'ny 23 Mey 1917. Natao tamin' ny 25 Mey 1917 tamin'ny 10 maraina ny fandevenana azy tao amin'ny toeram-pandevenan'i Saint Eugène tao Alger, nanatrika izany ny namany sy ny mpiara-miangona ary ny olo-manan-kaja sasany tao Alger. Na izany aza, tsy nisy fikarakarana ny lakambolany. Nanoratra tany amin'ny governoran'i Madagasikara ny governoran'i Alzeria zanatany frantsay tamin'ny Jona 1925, nangataka azy hanome vola hikojakojana ny lakambola, saingy nandà ity farany. Navadika ho ao amin'ny fasan-dRasoherina tao amin'ny Rovan'Antananarivo eto Madagasikara, ka lasa nantsoina hoe fasan'ny mpanjakavavy ny sisany tamin'ny Novambra 1938.

Fotoana fohy taorian'ny nahafatesan-dRanavalona dia nifindra tany amin'ny departemantan'ny Alpes-Maritimes any atsimo atsinanan'i Frantsa ny nenitoany, Ramasindrazana, ary tao no nahafatesany.

Lova sy vakoka navelany

[hanova | hanova ny fango]

Marie-Louise

[hanova | hanova ny fango]

Nandao an'i Alzeria talohan'ny nahafatesany kosa i Marie-Louise, zanaka natsangan-dRanavalona, mba hianatra any amin'ny lisea any Frantsa. Na dia nanohy nanome azy vola fivelomana kelikely ihany aza ny governemanta frantsay dia nisafidy ny hanana asa izy ka lasa mpitsabo mpanampy ary nomena ny mari-boninahitra Legion d'honneur noho ny asa fitsaboana nataony nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nanambady frantsay injeniera momba ny fambolena antsoina hoe André Bosshard i Marie-Louise tamin'ny 24 Jona 1921 fa tsy nanan-janaka ry zareo. Nisaraka tamin'i André i Marie taty aoriana ary lasa sôsialista frantsay mavitrika sy namirapiratra. Maty tao Bazoche-sur-Bates izy tamin'ny 18 Janoary 1948 ary nalevina tao Montreuil any Frantsa.

Lapa sy vakoka

[hanova | hanova ny fango]

Ny alin'ny 6 Novambra 1995, nisy afo tao amin'ny Lapa-mpanjakan'i Antananarivo nandrava ny lapa sy ny fasany. Na izany aza anefa dia anisan'ny avotra tsy tratran'ny afo ny lamba nitehirizina ny taolan-dRanavalona III ary nafindran'ny fitondrana Ravalomanana tany amin'ny fasana tokony hisy azy tao Ambohimanga tamin'ny taona 2007.

Image
Tandro-panjakana faha-Ranavalona III

Taorian'ny fangatahana famerenana zava-tsarobidy navoakan'ny filoha Andry Rajoelina, dia naverin'i Frantsa tamin'ny Novambra 2020 ny Tantarom-panjakana vita amin'ny vifotsy milokom-bolamena voaravaka lamba jaky, 70 sm ny haavony ary 35 sm ny savaivony, izay nandravaka ny elon-tranon-dRanavalona. Efa naseho nanomboka tamin'ny taona 1910 tao amin'ny tranombakoka miaramila, Les Invalides, izany, taorian'ny nanomezan'i Georges Richard azy, izay niasa tao amin'ny tafika mpampandry tany teto Madagasikara (1883-1885) ary taty aoriana tao amin'ny fitondrana mpanjanaka.

Manaraka izany ihany koa, novidin'ny governemantan' i Madagasikara nandritra ny lavanty tamin'ny taona 2020 ny tahirin-damaody sy sary ary taratasy milaza ny tantaran-dRanavalona, ​​izay hita tao amin'ny valin-drihana iray tao Guildford, Surrey, any Angletera. An'i Clara Herbert izay niasa tao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka malagasy nanomboka tamin'ny taompolo 1890 ka hatramin'ny taompolo 1920 izany, izay nifandovan'ny fianakaviana sy ny taranany.

Misy koa ny tantara L'Aube rouge nosoratan'i Jean-Joseph Rabearivelo miresaba betsaka ny ady nifanaovan'ny Frantsay sy ny Malagasy, fa mifantoka betsaka koa amin-dRanavalona III.[20]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Trotter Matthews, Thomas (1904). Thirty years in Madagascar. London: A. C. Armstrong.
  2. teny mihaja entina ilazana ny andevo
  3. https://anno.onb.ac.at/cgi-content/anno?aid=apr&datum=18830915&seite=4&zoom=33
  4. 1 2 Dr Michel Randria, Tantaran'i Madagasikara sy ny Malagasy. Antananarivo 1890 - 1942 . pp.377-378
  5. Cousins, William Edward (1895). Madagascar of to-day. The Religious Tract Society. p. 73.
  6. "The Queen of Madagascar". Scientific American Supplement. No. 1037. New York: Munn & Co. Publishers. 16 November 1895. p. 16568.
  7. Stuart Robson, Isabel (1896). "The Childhood of a Queen IV: The Queen of Madagascar". Children's Friend. Vol. 36. London: S.W. Partridge & Co.
  8. https://www.contretemps.eu/il-y-a-70-ans-linsurrection-de-mars-1947-ou-la-troisieme-guerre-franco-malgache/#:~:text=Le%205%20ao%C3%BBt%201890%20est%20sign%C3%A9e%20la,qui%2C%20contre%20le%20protectorat%20anglais%20sur%20Zanzibar
  9. Lucien Emmanuel Randrianarivelo, Ratany (1856-1944) Mpampianatra tao Anatirova ary ny Tantaran'i Madagasikara. Tome I (1528 pages). Impression Newprint 2004 .pp.241-242.
  10. 1 2 Mervin Brown, A History of Madagascar, p.226. © 1995 and 2000
  11. https://journals.openedition.org/diasporas/7019
  12. "Crownless Monarchs". The Bookman. No. 26. London: Dodd Mead & Co. 1908. PP.118
  13. Randrianja, Solofo (2001). Société et luttes anticoloniales à Madagascar: de 1896 à 1946. Paris: Karthala Editions. ISBN 978-2-84586-136-7.
  14. Barrier, Marie-France (1996). Ranavalona, dernière reine de Madagascar. Paris: Balland. ISBN 978-2-7158-1094-5. pp.288-303
  15. Barrier, Marie-France (1996). Ranavalona, dernière reine de Madagascar. Paris: Balland. ISBN 978-2-7158-1094-5. P.347
  16. Massachusetts Reformatory (1 October 1904). "Kings in Exile". Our Paper. 20 (40): 639.
  17. Bergougniou, Jean-Michel; Clignet, Rémi; David, Philippe (2001). "Villages noirs" et autres visiteurs africains et malgaches en France et en Europe: 1870–1940. Paris: Karthala Editions. ISBN 978-2-84586-200-5. pp.87-89
  18. Saillens, Pasteur R. (1906). "Impressions of Algeria". The Missionary Review of the World. Vol. 29. London: Funk & Wagnalls. p. 449.
  19. Bergougniou, Jean-Michel; Clignet, Rémi; David, Philippe (2001). "Villages noirs" et autres visiteurs africains et malgaches en France et en Europe: 1870–1940. Paris: Karthala Editions. ISBN 978-2-84586-200-5.
  20. Adejunmobi, Moradewun (1994). "History and Ideology in Jean-Joseph Rabearivelo's Prose Works". Canadian Journal of African Studies / Revue Canadienne des Études Africaines. 28 (2): 219–235. doi:10.2307/485716. ISSN 0008-3968. JSTOR 485716.