Hankany amin'ny vontoatiny

Amany

Avy amin'i Wikipedia
Image
Amany nangonina hanaovana fanadihadiana any amin' ny labôratoara

Ny amany dia ranoka maloto avy amin' ny tenan' ny biby manana hazondamosina, izay miforona ao amin' ny voa ary miangona ao amin' ny tatavia alohan' ny hivoahany any ivelany. Anisan' ny tsiranoka biôlôjika vokarin' ny biby, anisan' izany ny olombelona izy io, izay ampahany lehibe indrindra amin' ny loto mitsiranoka avy amin' ny vatan' ny biby manana hazondamosina.

Ny amany dia avoakan' ny voa amin' ny alalan' ny fisivanana ny ra, avy eo amin' ny alalan' ny famoronana sy famerenana ny môlekiola sasany avy amin' ny amany "voalohany" ho lasa amany feno. Ity farany ity dia avoakan' ny vatana amin' ny alalan' ny rafi-pamaniana. Mifanohitra amin' izay nekena hatry ny ela, ny amany dia manana mikrôbiôta izay miasa hampisy fifandanjana ao aminy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]