Hankany amin'ny vontoatiny

Pew Research Center

Avy amin'i Wikipedia
Image

Ny Pew Research Center dia ivontoeram-pikarohana amerikana manome antontanisa sy vaovao ara-tsosialy (fanisam-bahoaka, fakana ny hevitry ny olona, fanadihadiana votoatiny)[1]. Ao Washington no misy ny foiben-toerany ary ny Pew Charitable Trusts no mamatsy vola ny asa ataony[2]. Ny Pew Research Center dia fantatra noho ireo antontanisa omeny momba ny zava-misy ara-pivavahana maneran-tany[3].

Fizaràn'ny fikarohana ataony

[hanova | hanova ny fango]

Ny Pew Research Center dia manatanteraka ny asany amin'ny alalan'ny fizaràm-pikarohana fito[4]:

  • U.S. Politics & Policy (Politika sy lalàna amerikana);
  • Journalism & Media (Asa fanaovan-gazety sy haino aman-jery) ;
  • Internet, Science & Tech (Internety sy siansa ary haitao);
  • Religion & Public Life (Fivavahana sy fiainam-bahoaka);
  • Hispanic Trends (Firehan'ny mponin'i Amerika miteny espaniola);
  • Global Attitudes & Trends (Fihetsika sy firehana eran-tany);
  • Social & Demographic Trends (Firehana ara-piarahamonina sy ara-panisam-bahoaka).

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. ↑ About Pew Research Center in Pew Research Center [tahiry]
  2. ↑ Donald S. Kellermann, Who Led Public Research Group, Dies at 83 [tahiry] - Douglas Martin, The New York Times, 14 Nov. 2010
  3. ↑ Brian J. Grim, Todd M. Johnson, Vegard Skirbekk, Gina Zurlo, Yearbook of International Religious Demography 2014, Brill Academic Pub, 2014 (ISBN 978-9-0042-7274-3) Preface
  4. ↑ "Our Research" in Pew Research Center [tahiry]